fikambanan'ny zanak' ankarana

Andao isika hiara-hiasa hampandrosoana ny ANAKARA mba hananan-tsika fireharehàna sy fahatsapana fa masina sy manan-danja io Tanindrazantsika io. Indro ny tanako mivelatra ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo taranaka Anakara manerana izao tontolo izao: miara-dalana isika amin’ny fitandroana sy fanandratana ny vakoka, ny fomban-drazana ary ny hasin’ny razantsika. Tsy ho very an-javona ny lovantsika, fa hatsaraina sy hampitaina amin’ny taranaka mifandimby.

Te hahalala bebe kokoa

Fa iza
marina moa i Fizanakara ?

Ny FIZANAKARA dia fikambanan’ireo taranak’i Ali Tawarath, izay avy ao Vatomasina Vohipeno,
faritra Fitovinagny.

Niorina tamin’ny taona 1970 tao Antananarivo, izay naorin’ireto Andriambaventy
manaraka ireto sy ny mpiara-dia aminy:


  • MARSON Evariste
  • TSARAMONINA Jean Abraham
  • RANDRIAMAMPIONONA Franciscain

Ankehitriny ny Filoha mpitantana izany fikambanana izany dia Andriamatoa :
Patrick RAMONJAVELO.

Mahery ny 10.000 ny mpikambana ankehitriny izay misandrahaka manera ny nosy sy any andilam-bato

1

Iza moa i Anakara ?

Ny ANAKARA dia Foko iray ao anatin’ny Antemoro (iray vondrona amin’ny Antalaotra).
Taranak’i Ali Tawarath, izay mielipatrana manerana izao tontolo izao.
Araka ny boky nosaratan’ny Katibo MAHEFAMANANA MOSA dia Ali Tawarath no razan’ny ANAKARA izay tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 1495.

2

Vinan’ny fikambanana

Hampitoetra maharitra mandrakizay ireo vakoka sy
kolotsaina sarobidy nomen’Andriamanitra azy ireo.

3

Irakin’ny fikambanana

  • Fiarovana ireo vakoka sy ny kolotsaina napetrakin’ny razam-be.
  • Fampahafantarana sy fanaparitahana ny hasarobidin’ireo vakoka mampiavaka ny Anakara.
  • Fanohanana ny isam-batan’olona mba hanànan’ny fivoarana amin’ny maha olona azy.
Fanampim-panazavana

Tetik’asan’ny fikambanana

Miompana amin'ny kolotsaina, sosialy sy fanabeazana ny tetikasan'ny fikambanana. Maro ireo efa vita sy izay mbola andalam-panatanterahana. Ireto ambany ireto ny ampahany amin'izany tetikasa izany.

Sary momba ny kolotsaina ANAKARA
Antsipiriany

Fizarana Diplaoma “Voninahitra ho an’ny Fahaizana”

Amin’ny maha fikambanana manome lanja ny fahaiza-manao sy ny fandrosoan’ny tanora, dia nanatanteraka lanonana manokana ny Fikambanana ANAKARA ho an’ny fizarana diplaoma ho an’ireo tanora nahavita fiofanana, fandalinana, na fianarana ambony.

Sary momba ny kolotsaina ANAKARA
Antsipiriany

Tetikasa “Cartable iray, Fahazavana iray”

Amin’ny fiezahana hanohana ny fandrosoan’ny ankizy sy ny tanora anakara amin’ny alalan’ny fanabeazana, dia natomboka ny tetikasa “Cartable iray, Fahazavana iray”. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanome kitapo sy fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra sahirana ao amin’ny faritra onenan’ny foko ANAKARA.

Sary momba ny kolotsaina ANAKARA
Antsipiriany

Tetikasa “Vakoka velona” hanavotana ireo Zavakanto sy Fomban-drazana

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa “Vakoka Velona”, izay mikendry ny hitahiry, hanangona ary hampita amin’ny taranaka mifandimby ireo fomban-drazana sy zavakanto nentin-drazana anakara. Tafiditra amin’ny tetikasa ny fanadihadiana an-tanety, fanangonana tantaram-piainana sy ny fanofanana tanora.

Sary momba ny kolotsaina ANAKARA
Antsipiriany

Atrikasa ho an’ny tanora ANAKARA “Mahafantatra ny niaviana”

Niara-nanatanteraka atrikasa iray ny fikambanana sy ny tanora anakara any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, mikasika ny tantaran’ny foko sy ny razam-be. Nampitaina tamin’izy ireo ny tantara ara-tsoratra sy am-bava momba an’i Ali Tawarath sy ny fielezan’ny foko ANAKARA manerana an’i Madagasikara.

Ireo olomangan'ny
fikambanana

Ny lasa tsy fanadino - Ireo Olomanga Anakara sy ny andraikitrany avy :

Portrait de Mahatsara Youssouf

Zahidy Malamy

Vehivavy mpitarika sy mpiaro ny vakoka

Portrait de Mahatsara Youssouf

Ramasito Velo

Mpampita soatoavina sy mpanentana

Portrait de Mahatsara Youssouf

Mahefamananana Mosa

Mpahay tantara sy Katibo Sorabe

Portrait de Mahatsara Youssouf

Ali Tawarath

Razambe mpanorina

Finaritra aby Ragnandria !

Mahafaly ny tenanay mpitarika ity fikambanana ity no miarahaba anao tonga mitsidika ity site web FIZANAKARA ity.

“Ravin’aviavy Ragnandria, tsara gn’avy, tsara gn’eviana.”

Andao itsika hiara-hiasa hampandrosoana ny ANAKARA mba hananan-tsika fireharehàna fa masina io Tanindrazan-tsika io. Ko indro ny tanako mivelatra ho an’ireo izay vonona hanampy ahy mba hahatratrarana ny tanjona izay hokendrena hanànana fireharehana maha ANAKARA marina.

Misaotra Ragnandria.

Patrick RAMONJAVELO (Filoha FIZANAKARA)

Patrick RAMONJAVELO

Ny Birao eto Antananarivo

Manantona ny toerana izay voamarika eto ambany izay hila fanazana

Ireo afaka ifandraisna aminay

(+261) 38 90 065 67

contact@fizanakara.mg

Ireo Faritra ijoroan’ny Fizanakara

Antananarivo – Vatomasina – Manakara – Fianarantsoa – Mahajanga – Toamasina